Fisaintsainana isan’andro

TADIDIO IZAY TADIDIN’ANDRIAMANITRA

Tsaroako . . . ny hatsaram-panahinao tamin’ny fahatanoranao.

Jeremia 2:2

Mbola maneho hatsaram-panahy amin’Andriamanitra ho azy toy ny taloha ve aho, sa miandry fotsiny an’Andriamanitra haneho hatsaram-panahy amiko? Feno ireo zavatra madinika izay mampifaly ny fony noho ny amiko ve aho, sa mimenomenona satria sarotra ny fandehan’ny toe-javatra amiko? Tsy misy fifaliana ao amin’ny fanahy izay nanadino izay sarobidy amin’Andriamanitra. Zava-dehibe ny mieritreritra fa mila ahy i Jesosy Kristy — "Omeo hosotroina Aho." Hatraiza ny hatsaram-panahy nasehoko Azy tamin’ity herinandro lasa ity? Efa nitandro ny lazany tamin’ny fiainako ve aho?

Milaza amin’ny olony Andriamanitra — Tsy tia Ahy ianao izao, nefa tsaroako ny fotoana nitiavanao Ahy — "Tsaroako . . . ny fitiavana tamin’ny fotoana nifamofoanao." Mbola feno ilay fitiavana mihoa-pampana an’i Jesosy Kristy tahaka ny tamin’ny voalohany ve aho, fony aho nanao zavatra nihoatra ny mahazatra mba hanaporofoana ny fanoloran-tenako ho Azy? Hitany ve aho mahatsiaro ilay fotoana izay tsy niraharahiako na inona na inona afa-tsy Izy? Mbola eo ve aho izao, sa efa nanjary hendry tafahoatra amin’ny fitiavana Azy aho? Tena tia Azy tokoa ve aho ka tsy miraharaha izay toerana alehako? sa miandry ny fanajana tokony homena ahy aho; mandanja izay habetsahan’ny fanompoana tokony homeko?

Raha, eo am-pahatsiarovako izay tadidin’Andriamanitra momba ahy, hitako fa tsy toy izay naha-Izy Azy tamiko taloha intsony Izy, dia aoka hiteraka henatra sy fahafaham-baraka izany, satria io henatra io no hitondra ny alahelo araka an’Andriamanitra izay miteraka fibebahana.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana