Fisaintsainana isan’andro

NY TOMPO IZAO!

Namaly i Tomasy ka nanao Taminy hoe, Tompoko sy Andriamanitro.

Jaona 20:28

"Omeo hosotroina Aho." Firy amintsika no mikiry mba hanalan’i Jesosy Kristy ny hetahetantsika nefa tokony hanome fahafaham-po Azy isika? Tokony handrotsaka isika izao, handany hatramin’ny fetra farany, fa tsy hisintona avy Aminy mba hanomezana fahafaham-po antsika. "Ho vavolombeloko ianareo" — midika fiainana feno fanoloran-tena tsy misy pentina, sy tsy manaiky marimaritra iraisana ary tsy azo tambazana ho an’ny Tompo Jesosy izany, fanomezana fahafaham-po Azy na aiza na aiza ametrahany antsika.

Tandremo izay rehetra mifaninana amin’ny fahatokiana an’i Jesosy Kristy. Ny mpifaninana lehibe indrindra amin’ny fanoloran-tena ho an’i Jesosy dia ny fanompoana Azy. Mora kokoa ny manompo noho ny ho sotroina hatramin’ny faikany. Ny tanjona tokana amin’ny antson’Andriamanitra dia ny fanomezana fahafaham-po an’Andriamanitra, fa tsy antso hanao zavatra ho Azy. Tsy irahina hiady ho an’Andriamanitra isika, fa hampiasain’Andriamanitra ao amin’ny adiny. Manolo-tena kokoa amin’ny fanompoana noho ny amin’i Jesosy Kristy ve isika?

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana