Fisaintsainana isan’andro

NY ASA NIANTSOANA NY FIAINANA VOAJANAHARY

Fa rehefa sitrak’Andriamanitra . . . ny haneho ny Zanany ato anatiko . . .

Galatiana 1:15-16

Ny antson’Andriamanitra dia tsy antso ho amin’ny fanompoana voafaritra manokana; mety ho toy izany ny fandikako azy satria ny fifandraisana tamin’ny toetra voajanaharin’Andriamanitra no nampahatsapa ahy izay tiako hatao ho Azy. Fanehoana ny toetra voajanahariny amin’ny fotony ny antson’Andriamanitra; ny fanompoana dia vokatr’izay mifanaraka amin’ny toetra voajanahariko. Nambaran’ny apostoly Paoly ny asa niantsoana ny fiainana voajanahary — "Rehefa sitrak’Andriamanitra ny haneho ny Zanany ato anatiko mba hitoriako Azy" (izany hoe, haneho Azy amin’ny fomba sakramenta) "eo amin’ny Jentilisa."

Ny fanompoana dia fibosesiky ny fanoloran-tena mihoa-pampana; nefa, raha lazaina lalina, dia tsy misy antso ho amin’izany, anjarako kely tena misy izany ary akon’ny fampiraisana ahy amin’ny toetra voajanaharin’Andriamanitra. Ny fanompoana no ampahany voajanahary amin’ny fiainako. Ampidirin’Andriamanitra amin’ny fifandraisana Aminy izay ahafantarako ny antsony aho, ary avy eo dia manao zavatra noho ny fitiavana Azy madio araka ny safidiko aho. Ny manompo an’Andriamanitra dia fanomezam-pitiavana amim-piniavana ataon’ny toetra voajanahary izay nahare ny antson’Andriamanitra. Ny fanompoana dia maneho izay mifanaraka amin’ny toetra voajanahariko: ny antson’Andriamanitra dia maneho ny toetra voajanahariny; noho izany rehefa mandray ny toetra voajanahariny sy mandre ny antsony aho, dia re ao amin’izy roa ny feon’ny toetra voajanahary avy amin’Andriamanitra ary miara-miasa izy roa. Maneho ny tenany ato anatiko ny Zanak’Andriamanitra, ary manompo Azy amin’ny fomba mahazatra eo amin’ny fiainana noho ny fanoloran-tenako ho Azy aho.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana