FANDINIHAN-TENA AMIN’NY FANELANELANANA AM-BAVAKA
“Ary mangataka amin’Andriamanitra aho mba hotahirizina tsy hanan-tsiny ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo manontolo.”
1Tesaloniana 5:23
"Ny fanahinareo manontolo. . ." Ny asa lehibe feno zava-miafina ataon’ny Fanahy Masina dia ao amin’ireo faritra manjavozavo amin’ny maha-olona antsika izay tsy azontsika tratrarina. Vakio ny Salamo faha-139; izao no tian’ny mpanao salamo hambara — "Ianao no Andriamanitry ny maraina vao mangiran-dratsy, Andriamanitry ny alina efa lalina, Andriamanitry ny tampon-tendrombohitra, ary Andriamanitry ny ranomasina; kanefa, ry Andriamanitro, manana faravodilanitra lavitra noho ny maraina vao mangiran-dratsy ny fanahiko, haizina lalina noho ny alin’ny tany, tampony avo noho ny tampon-tendrombohitra rehetra, halalina lehibe noho ny ranomasina rehetra eo amin’ny zavaboary — Ianao izay Andriamanitr’ireo rehetra ireo, aoka ho Andriamanitro. Tsy afaka mahatratra ny avo na ny lalina aho; misy antony manosika izay tsy hitako ny dian’izany, nofy tsy azoko tratrarina — ry Andriamanitro, diniho hatrany anatiko aho."
Mino ve isika fa azon’Andriamanitra atao ny mametraka miaramila hiambina ny saina mamorona lavitra noho izay azontsika aleha? "Ny ran’i Jesosy Kristy manadio antsika ho afaka amin’ny fahotana rehetra" — raha ny zavatra iainana tsapa ihany no dikan’izany, enga anie Andriamanitra hamindra fo amintsika. Ny olona izay nataon’ny fahotana ho donto dia hilaza fa tsy mahatsapa fahotana izy. Ny fanadiovana amin’ny fahotana dia mahatratra ny tena avo sy lalina indrindra amin’ny fanahintsika raha manaiky hitoetra ao amin’ny mazava isika tahaka an’Andriamanitra ao amin’ny mazava, ary ilay Fanahy izay namahana ny fiainan’i Jesosy Kristy ihany no hamahana ny fiainan’ny fanahintsika. Rehefa Andriamanitra no mametraka miaramila hiambina antsika amin’ny fahamasinana mahatalanjona ananan’ny Fanahy Masina ihany, vao voatahiry amin’ny fahamendrehana tsy misy pentina ny fanahy, aina ary tena, tsy mendrika fanomezan-tsiny eo imason’Andriamanitra, mandra-pihavin’i Jesosy.
Tsy avelantsika hitoetra araka ny tokony ho izy amin’ireo fahamarinana lehiben’Andriamanitra sy mavesa-danja ireo ny saintsika.