VELONA VE NY SORONA ATAOKO?
“Ary nanorina alitara Abrahama . . . ary namatotra an’i Isaka zanany.”
Genesisy 22:9
Sarin’ny fahadisoana ataontsika ity zava-nitranga ity rehefa mieritreritra isika fa ny zavatra farany tadiavin’Andriamanitra amintsika dia ny soron’ny fahafatesana. Ny tadiavin’Andriamanitra dia ny sorona amin’ny alalan’ny fahafatesana izay ahafahantsika manao izay nataon’i Jesosy, izany hoe, manao sorona ny fiainantsika. Tsy hoe — Manaiky an-tsitrapo ny hiara-maty Aminao aho, fa hoe — Manaiky an-tsitrapo ny hampiraisina amin’ny fahafatesanao aho mba hahafahako manao sorona ny fiainako ho an’Andriamanitra. Toa mieritreritra isika fa tian’Andriamanitra hafointsika ny zavatra! Nodiovin’Andriamanitra ho afaka tamin’io fahadisoana io Abrahama, ary mitohy eo amin’ny fiainantsika izany fampiofanana izany. Tsy milaza amintsika na aiza na aiza Andriamanitra mba hamoy zavatra noho ny famoizana azy fotsiny. Lazainy amintsika ny hamoy azy noho ilay zavatra tokana mendrika hananana — izany hoe, fiainana miaraka Aminy. Resaka famahana ny fatorana misakana ny fiainana izany, ary raha vantany vao voavaha amin’ny fampiraisana amin’ny fahafatesan’i Jesosy ireo fatorana ireo, dia miditra amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra isika izay ahafahantsika manao sorona ny fiainantsika Aminy.
Tsy misy vidiny amin’Andriamanitra ny fanomezana Azy ny fiainanao ho amin’ny fahafatesana. Tiany ianao ho "sorona velona," sady avelanao hanana ny herinao rehetra izay voavonjy sy nohamasinina tamin’ny alalan’i Jesosy Izy. Izany no zavatra ankasitrahan’Andriamanitra.