FIFANDRAISANA AKAIKY AMIN’I JESOSY
“Efa ela toy izany no niarahako taminareo, nefa mbola tsy mahalala Ahy va ianao?”
Jaona 14:9
Tsy lazaina ho fananarana mafy ireo teny ireo, na koa amim-pahagagana; mitarika an’i Filipo handroso Jesosy. Ny farany indrindra izay ifandraisantsika akaiky dia Jesosy. Talohan’ny Pentekosta dia nahalala an’i Jesosy ho Ilay nanome azy ireo hery handresena demonia sy hampisy fifohazana ny mpianatra (jereo Lioka 10:18-20). Fifandraisana akaiky mahatalanjona izany, nefa mbola hisy fifandraisana akaiky kokoa — "Efa nantsoiko hoe sakaiza ianareo." Tsy fahita firy etỳ an-tany ny fisakaizana. Midika firaisana amin’ny eritreritra sy ny fo ary ny fanahy izany. Ny fampiofanana rehetra eo amin’ny fiainana dia natao hahafahantsika miditra amin’io fifandraisana akaiky indrindra amin’i Jesosy Kristy io. Mandray ny fitahiany sy mahalala ny teniny isika, fa moa mahalala Azy ve isika?
Hoy Jesosy, "Mahasoa anareo ny handehanako" — ao amin’izany fifandraisana izany, mba hahafahany mitarika azy ireo handroso. Fifaliana ho an’i Jesosy rehefa maka fotoana handroso amin’ny fifandraisana akaiky kokoa Aminy ny mpianatra. Voalaza mandrakariva ho fisehoan’ny firaisana akaiky amin’i Jesosy Kristy ny famoazana (Jaona 15:1-4).
Rehefa mifandray akaiky amin’i Jesosy isika dia tsy manirery intsony, tsy mila fiombonam-pihetseham-po intsony, afaka mandrotsaka mandrakariva isika nefa tsy mampahonena. Ny olo-masina izay mifandray akaiky amin’i Jesosy dia tsy hamela velively ny fiheverana momba ny tenany, fa ny fiheverana fa mahazo lalana tsy misy sakana i Jesosy ihany, satria efa nofenoin’i Jesosy ny hantsana lalina farany amin’ny toetra voajanahariny. Ny hany fiheverana avelan’ny fiainana toy izany dia ilay fahatoniana matanjaka sy salama saina omen’ny Tompontsika an’ireo izay mifandray akaiky Aminy.