NY FIAINANA MIAFINA
“Ny fiainanareo dia miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra.”
Kolosiana 3:3
Ny Fanahin’Andriamanitra no mijoro ho vavolombelon’ny fiarovana tsotra sy tsitoha ananan’ny fiainana miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ary aseho tsy an-kijanona ao amin’ireo Epistily izany. Miresaka toy ny hoe ny miaina ny fiainana nohamasinina no zavatra mampidi-doza indrindra isika; io no zavatra azo antoka indrindra, satria ao anatiny sy ao ambadik’izany Andriamanitra Tsitoha. Ny fiezahana hiaina tsy misy an’Andriamanitra no zavatra mampidi-doza indrindra. Raha ateraka indray isika dia ny miaina ao amin’ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra no zavatra mora indrindra ary ny mivily no zavatra sarotra indrindra, raha mihaino ny fampitandreman’Andriamanitra sy mitoetra ao amin’ny mazava ihany isika.
Rehefa mieritreritra ny fanafahana amin’ny ota isika, sy ny famenoana amin’ny Fanahy, ary ny fandehanana ao amin’ny mazava, dia maka sary an-tsaina ny tendron’ny tendrombohitra lehibe iray isika, avo sy mahatalanjona, ary manao hoe — "Indrisy, tsy ho afaka hiaina any ambony any mihitsy aho!" Nefa rehefa tena tonga any noho ny fahasoavan’Andriamanitra isika, dia hitantsika fa tsy tendron-tendrombohitra izany, fa lembalemba misy toerana malalaka hiainana sy hitomboana. "Nohalalahinao ny diako eo ambaniko."
Rehefa tena mahita an’i Jesosy ianao, dia mihantsy anao aho hisalasala Azy. Rehefa manao hoe — "Aza malahelo ny fonareo," raha mahita Azy ianao dia mihantsy anao aho hamela ahiahy hiditra ao an-tsainao, tsy azo atao ara-pitondran-tena ny misalasala rehefa eo Izy. Isaky ny mifandray manokana amin’i Jesosy ianao, dia tena izy ny teniny. "Ny fiadanako no omeko anareo," fiadanana manontolo hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia izany, dia fitokiana tsy azo sakanana. "Ny fiainanareo dia miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra," ary ampitaina aminao ny fiadanan’i Jesosy Kristy tsy azo hozongozonina.