Fisaintsainana isan’andro

NY FITAOMAN’NY RAY

Tsy misy olona afaka manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy izy.

Jaona 6:44

Rehefa mitaona ahy Andriamanitra, dia mipoitra avy hatrany ny fanapahan-kevitry ny sitrapoko — hamaly ny fanambarana omen’Andriamanitra ve aho — hanatona Azy ve aho? Fahasahisahiana tsy mendrika ny miady hevitra momba ny zavatra ara-panahy. Aza miady hevitra amin’iza na iza rehefa miteny Andriamanitra. Tsy asa ara-tsaina ny finoana; asa ara-pitondran-tena izany izay anolorako amim-piniavana ny tenako. Hanipy ny tenako manontolo eo amin’Andriamanitra ve aho ka hifampiraharaha Aminy araka izay lazainy? Raha manaiky an-tsitrapo aho, dia ho hitako fa miorina amin’ny Zava-misy azo antoka tahaka ny seza fiandrianan’Andriamanitra aho.

Rehefa mitory ny filazantsara ianao, dia atosio mandrakariva ho amin’ny fanapahan-kevitry ny sitrapo ny olona. Ny finoana dia tsy maintsy ho sitrapo hino. Tsy maintsy misy fanolorana ny sitrapo, fa tsy fileferana amin’ny hery mandresy lahatra, dia firotsahana amim-piniavana eo amin’Andriamanitra sy izay lazainy mandra-pahatongako tsy hatoky intsony izay nataoko, fa hatoky an’Andriamanitra irery ihany. Ny sakana dia ny tsy fetezako hatoky an’Andriamanitra, fa ny fahatakarako ara-tsaina ihany. Raha ny fihetseham-po no resahina, dia tsy maintsy atolotro an-jambany ny zavatra rehetra ho antoka. Tsy maintsy misafidy hino aho, ary tsy ho vita mihitsy izany raha tsy miezaka mafy ny hisaraka amin’ny fomba fijeriko taloha aho, ka mametraka ny tenako manontolo eo Aminy.

Noforonina haninjitra ny tenany any ankoatra izay azony raisina ny olona rehetra. Andriamanitra no mitaona ahy, ary ny fifandraisako Aminy amin’ny voalohany dia fifandraisana manokana, fa tsy ara-tsaina. Ampidirin’ny fahagagana ataon’Andriamanitra sy ny sitrapoko hino ao amin’ilay fifandraisana aho, dia manomboka mahazo fahatsapana ny hasarobidiny sy fahatakarana ara-tsaina ny fahagagan’ilay fifampiraharahana.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana