Fisaintsainana isan’andro

NY HERIN’ANDRIAMANITRA TSY MITANILA

Fa tamin’ny fanatitra iray no nanaovany ho tanteraka mandrakizay ireo izay nohamasinina.

Hebreo 10:14

Manitsaka ny ran’ny Zanak’Andriamanitra isika raha mihevitra fa voavela heloka satria malahelo noho ny fahotantsika. Ny hany fanazavana ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny halalin’ny fanadinoany tsy takatry ny saina dia ny Fahafatesan’i Jesosy Kristy. Vokatry ny fahatsapantsika manokana ny asa fampihavanana izay notanterahiny ho antsika fotsiny ny fibebahantsika. "Kristy Jesosy . . . no natao fahendrena ho antsika, sy fahamarinana, sy fanamasinana, ary fanavotana." Rehefa tsapantsika fa natao ho antsika izany rehetra izany i Kristy, dia manomboka ny fifalian’Andriamanitra tsy manam-petra; na aiza na aiza tsy misy ny fifalian’Andriamanitra, dia miasa ny didim-pahafatesana.

Na iza na iza isika ary na inona na inona toetrantsika, dia misy fampodiana tanteraka ho amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy ary tsy misy lalana hafa, tsy noho ny fitalahoan’i Jesosy Kristy, fa noho ny nahafatesany. Tsy azo amin’ny asa izany, fa raisina. Tsy misy vidiny ny fitalahoana rehetra izay minia mandà tsy hanaiky ny Hazofijaliana; midaroka varavarana hafa noho ilay nosokafan’i Jesosy izany. Tsy te hiditra amin’izany lalana izany aho, satria mampietry ahy loatra ny fandraisana ahy ho mpanota. "Tsy misy Anarana hafa . . ." Ny toa hamafin’ny fon’Andriamanitra dia fanehoana ny tena fony, misy fidirana tsy manam-petra eo amin’ny lalany. "Manana famelan-keloka amin’ny alalan’ny rany isika." Ny firaisana amin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy dia midika ho firaisana Aminy hatramin’ny fahafatesan’ny zavatra rehetra izay tsy tao Aminy velively.

Marina Andriamanitra raha mamonjy ny olona ratsy raha ataony tsara ihany izy ireo. Tsy mody milaza ny Tompontsika fa marina isika nefa diso tanteraka. Ny asa fampihavanana dia sorom-panavotana izay anaovan’Andriamanitra ny olona tsy masina ho masina amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesosy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana