NY FIRONA HO AMIN’NY FAHASIMBANA
“Koa tahaka ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny olona iray, ary ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny ota; ka dia nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy nanota izy rehetra.”
Romana 5:12
Ny Baiboly dia tsy milaza fa nosazin’Andriamanitra noho ny fahotan’ny olona iray ny taranak’olombelona; fa ny toe-panahin’ny fahotana manjaka ao anaty, izany hoe, ny fitakiako ny zoko amin’ny tenako, no niditra tao amin’ny taranak’olombelona tamin’ny alalan’ny olona iray, ary nentin’ny Lehilahy iray hafa teo amin’ny Tenany ny fahotan’ny taranak’olombelona ka nesoriny izany (Hebreo 9:26) — fanambarana lalina kokoa tsy misy fetra. Ny toe-panahin’ny fahotana manjaka ao anaty dia tsy fahalotoam-pitondran-tena sy fanaovan-dratsy, fa ny toe-panahin’ny fampanjary ny tena manjaka ao anaty — izaho ihany no andriamanitro. Mety hiseho amin’ny fitondran-tena mendrika io toe-panahy io na amin’ny fahalotoam-pitondran-tena tsy mendrika, nefa iray ihany ny fotony, dia ny fitakiako ny zoko amin’ny tenako. Rehefa niatrika ny olona nanana ny herin’ny ratsy rehetra tao anatiny ny Tompontsika, ary koa ny olona nanana fiainana madio sy fitondran-tena mahitsy, dia tsy noraharahiany na ny fitotonganam-pitondran-tenan’ny iray na ny zava-bita ara-pitondran-tenan’ny hafa; nojereny kosa ny zavatra tsy hitantsika, izany hoe, ilay toe-panahy manjaka ao anaty.
Zavatra teraka ato amiko ny ota ary tsy azoko kasihina; Andriamanitra no mikasika ny ota ao amin’ny Fanavotana. Tao amin’ny Hazofijalian’i Jesosy Kristy no nanavotan’Andriamanitra ny taranak’olombelona manontolo tamin’ny mety hisian’ny fanamelohana mandrakizay noho ny lovan’ny ota. Tsy misy na aiza na aiza iheveran’Andriamanitra ny olona iray ho tompon’andraikitra noho ny fananany ny lovan’ny ota. Tsy ny nahaterahako niaraka tamin’ny lovan’ny ota no fanamelohana, fa raha mahatsapa aho fa tonga hanafaka ahy amin’izany i Jesosy Kristy, nefa mandà tsy hamela Azy hanao izany aho, dia manomboka amin’izay fotoana izay mandray ny tombo-kasen’ny fanamelohana mandrakizay aho. "Ary izao no fitsarana" (ilay fotoana fanapahan-kevitra lehibe), "tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava, ary naleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava."