Fisaintsainana isan’andro

NY FAHITANA SY NY ZAVA-MISY MARINA

Voantso ho olo-masina.

1Korintiana 1:2

Misaora an’Andriamanitra noho ny nahitanao izay rehetra mbola tsy nahatongavanao. Efa nahazo ilay fahitana ianao, saingy mbola tsy tonga amin’izany velively. Rehefa ao amin’ny lohasaha isika, toerana anaporofoantsika raha ho isan’ireo voafidy isika, no miverina ny ankamaroantsika. Tsy tena voaomana ho amin’ireo kapoka isika izay tsy maintsy ho tonga raha hovana hifanaraka amin’ny endrik’ilay fahitana isika. Hitantsika izay tsy maha-isika antsika, sy izay tian’Andriamanitra hahatongavantsika, nefa moa ve isika manaiky ny hanaovan’Andriamanitra ilay fahitana ho "voakapoka hahazo endrika sy hampiasaina[1]"? Tonga mandrakariva amin’ny fomba tsotra sy amin’ny alalan’ny olona tsotra ireo kapoka.

Misy fotoana izay tena ahafantarantsika ny fikasan’Andriamanitra; miankina amintsika ny hamelantsika ny fahitana hovana ho toetra tena misy, fa tsy miankina amin’Andriamanitra. Raha aleontsika mandry fahizay eny an-tendrombohitra sy miaina ao amin’ny fahatsiarovana ilay fahitana, dia tena tsy hisy ilàna antsika ao anatin’ireo zavatra andavanandro mandrafitra ny fiainan’olombelona. Tsy maintsy mianatra miaina amin’ny fiankinana amin’izay hitantsika tao amin’ilay fahitana isika, tsy ao amin’ny hafaliana mihoa-pampana sy ny fibanjinana an’Andriamanitra amim-pahatsiarovan-tena, fa miaina ao anatin’ny zava-misy marina eo amin’ny fahazavan’ilay fahitana mandra-pahatongantsika amin’ilay zava-misy marina tokoa. Mankany amin’izany lalana izany ny ampahany rehetra amin’ny fanazarana antsika. Mianara misaotra an’Andriamanitra noho ny nampahafantarany ny fitakiany.

Ilay "izaho" kely dia sosotra mandrakariva rehefa milaza Andriamanitra hoe ataovy. Aoka ilay "izaho" kely hiketrona tanteraka ao anatin’ny fahatezeran’Andriamanitra — "IZAHO IZAY IZY no naniraka anao." Tsy maintsy Izy no manjaka tanteraka. Tsy manindrona hatrany anaty ve ny fahatsapana fa fantatr’Andriamanitra ny toerana onenantsika, sy ireo tranon’alika izay andadiantsika hidirana! Hihaza antsika tampoka tahaka ny tselatra Izy. Tsy misy olombelona mahalala ny olombelona tahaka ny ahafantaran’Andriamanitra azy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana