FIFANDRAISANA AKAIKY AMBONY DIA AMBONY
“Tsy efa nilaza taminao va Aho, fa, raha hino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”
Jaona 11:40
Isaky ny misetra loza eo amin’ny fiainam-pinoana ianao, dia hahita zavatra iray eo amin’ny toe-javatra araka ny saina mahazatra izay manohitra mivantana ny finoanao. Tsy finoana ny saina mahazatra, ary tsy saina mahazatra ny finoana; mifandray tahaka ny voajanahary sy ny ara-panahy ireo. Afaka matoky an’i Jesosy Kristy ve ianao eo amin’izay tsy ahafahan’ny sainao mahazatra matoky Azy? Afaka misetra loza amim-pahasahiana miorina amin’ny fanambaran’i Jesosy Kristy ve ianao rehefa miantso mafy ireo zava-misy eo amin’ny fiainanao araka ny saina mahazatra — "Lainga izany?" Eny an-tendrombohitra dia mora ny milaza hoe — ‘Ah, eny, mino aho fa afaka manao izany Andriamanitra’; nefa tsy maintsy midina any amin’ny lohasaha voagejan’ny demonia ianao ka mihaona amin’ireo zava-misy mihomehy maneso ny finoanao manontolo avy eny amin’ny tendrombohitry ny fiovan-tarehy. Isaky ny mazava ao an-tsaiko ny fandaharan’ny finoan-keviko, dia mifanehitra amin-javatra manohitra izany aho. Aoka hilaza aho fa mino fa hanome izay rehetra ilaiko Andriamanitra, ary avy eo aoka ho ritra tanteraka aho, ka tsy hahita làlana, dia ho hita raha hamakivaky ny fitsapam-pinoana aho, na hiverina hilentika amin-javatra ambany kokoa.
Tsy maintsy tsapaina ny finoana, satria amin’ny alalan’ny ady ihany no ahafahana manova azy ho fananana manokana. Inona no atrehin’ny finoanao izao? Na hanaporofo ny fitsapana fa mahitsy ny finoanao, na hamono azy. "Sambatra izay tsy tafintohina amiko." Ny farany dia ny fitokiana amin’i Jesosy. Minoa Azy amim-pikirizana tsy mihozongozona dia hampivelatra ny finoanao izay rehetra hatrehinao. Misy fitsapana tsy tapaka eo amin’ny fiainam-pinoana, ary ny fahafatesana no fitsapana lehibe farany. Enga anie Andriamanitra hitazona antsika ho vonona hiady! Fitokiana tsy hay lazaina amin’Andriamanitra ny finoana, dia fitokiana izay tsy manonofy velively fa tsy hijoro hanohana antsika Izy.