TEOLOJIA VELONA
“Mandehana raha mbola manana ny mazava ianareo fandrao tratry ny maizina.”
Jaona 12:35
Mitandrema amin’ny tsy fanaovana araka izay hitanao amin’ireo fotoana eny an-tendrombohitra miaraka amin’Andriamanitra. Raha tsy mankatò ny mazava ianao, dia hivadika ho haizina izany. "Koa raha maizina ny mazava izay ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’izany haizina izany!" Raha vao tsy raharahainao ny fanontaniana momba ny fanamasinana na zavatra hafa izay nomen’Andriamanitra fahazavana anao, dia manomboka mahazo fahalovana maina ny fiainanao ara-panahy. Ento tsy tapaka hiseho ho zava-misy marina ny fahamarinana; tanteraho amin’ny lafim-piainana rehetra izany, raha tsy izany dia ho hita fa ozona ilay fahazavana anananao mihitsy.
Ny olona sarotra indrindra entina dia ilay manana fahafaham-po miavonavona amin’ny fanandramana izay azony iverenana jerena, nefa tsy tanterahiny amin’ny fiainany tena iainana izany. Raha milaza ianao fa nohamasinina, dia asehoy izany. Tsy maintsy tena marina tokoa ilay fanandramana ka hiseho eo amin’ny fiainana. Mitandrema amin’izay finoan-kevitra rehetra mahatonga anao hanaram-po; avy tamin’ny lavaka izany, na tsara tarehy toy inona aza ny feony.
Tsy maintsy maneho ny asany eo amin’ny fifandraisana azo ampiharina indrindra ny teolojia. "Raha tsy mihoatra noho ny fahamarinan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo . . ." hoy ny Tompontsika, izany hoe, tsy maintsy manana fitondrantena tsara kokoa noho ny olona manana fitondrantena tsara indrindra fantatrao ianao. Mety ho fantatrao ny zavatra rehetra momba ny fampianarana ny amin’ny fanamasinana, nefa tanterahinao eo amin’ireo raharaha azo ampiharina amin’ny fiainanao ve izany? Ny sombiny rehetra amin’ny fiainanao, ara-batana, ara-pitondrantena sy ara-panahy, dia hotsaraina amin’ny fenitry ny asa fampihavanana.