MBA MIKORONTANA VE IANAO?
“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo.”
Jaona 14:27
Misy fotoana izay iorenan’ny fiadanantsika amin’ny tsy fahalalana, nefa rehefa mifoha hahita ny zava-misy eo amin’ny fiainana isika, dia tsy azo atao ny fiadanana anaty raha tsy raisina avy amin’i Jesosy izany. Rehefa miteny fiadanana ny Tompontsika, dia mampisy fiadanana Izy, fa izao mandrakariva ny teniny "fanahy sy fiainana." Efa nandray izay lazain’i Jesosy ve aho? "Ny fiadanako no omeko anareo" — fiadanana avy amin’ny fijerena ny tavany sy ny fahatsapana ny tsy-fikorontanany izany.
Mikorontana amim-panaintainana ve ianao izao, variana noho ny onja sy ny alon’ny fahazoan-dalana avy amin’ny fitondran’Andriamanitra, ary rehefa, toy ny hoe, namadika ireo vatolampin’ny finoan-kevitrao ianao, mbola tsy mahita loharanom-piadanana na fifaliana na fampiononana ve ianao; karankaina avokoa ve ny zavatra rehetra? Dia mitrakà ary raiso ny tsy-fikorontanan’i Jesosy Tompo. Ny fiadanana hita taratra no porofo fa mahitsy amin’Andriamanitra ianao satria afaka mampitodika ny sainao Aminy. Raha tsy mahitsy amin’Andriamanitra ianao, dia tsy afaka mampitodika ny sainao na aiza na aiza afa-tsy amin’ny tenanao. Raha mamela na inona na inona hanafina aminao ny tavan’i Jesosy Kristy ianao, dia na mikorontana ianao na manana fahatsapana fiarovana diso.
Mijery an’i Jesosy ve ianao izao, manoloana ilay raharaha eo no ho eo izay manindry anao ary mandray fiadanana avy Aminy? Raha izany, dia ho tsodranom-piadanana feno fahasoavana ao anatinao sy amin’ny alalanao Izy. Nefa raha manandrana mamaha izany amin’ny fanahiana ianao, dia mamafa Azy ka mendrika izay rehetra azonao. Mikorontana isika satria tsy nandinika Azy. Rehefa maka hevitra amin’i Jesosy Kristy ny olona iray dia miala ny fisafotofotoana, satria tsy misy fisafotofotoana ao Aminy, ary ny hany tokony haharaharahantsika dia ny hitoetra ao Aminy. Velaro eo anatrehany avokoa izany rehetra izany, ary manoloana ny fahasarotana, ny famoizana havan-tiana sy ny alahelo, henoy Izy milaza hoe, "Aza malahelo ny fonao."