Fisaintsainana isan’andro

NY SAKRAMENTAN’NY OLO-MASINA

Aoka izay mijaly araka ny sitrapon’Andriamanitra, hanankina ny fiambenana ny fanahiny Aminy amin’ny fanaovan-tsoa.

1Petera 4:19

Ny misafidy hijaly dia midika fa misy zavatra tsy mety; ny misafidy ny Sitrapon’Andriamanitra na dia midika fijaliana aza izany dia zavatra hafa mihitsy. Tsy misy olo-masina salama mifidy fijaliana velively; mifidy ny sitrapon’Andriamanitra izy, tahaka ny nataon’i Jesosy, na midika fijaliana izany na tsia. Tsy misy olo-masina sahy miditra an-tsehatra amin’ny fampiofanana amin’ny alalan’ny fijaliana ao amin’ny olo-masina hafa.

Ny olo-masina manome fahafaham-po ny fon’i Jesosy dia hampahery sy hampamatotra olo-masina hafa ho an’Andriamanitra. Tsy ireo olona miombom-pihetseham-po amintsika velively no mahasoa antsika, fa manakana foana izy ireo, satria manala hery ny fiombonam-pihetseham-po. Tsy misy mahatakatra olo-masina iray afa-tsy ilay olo-masina akaiky indrindra ny Mpamonjy. Raha manaiky ny fiombonam-pihetseham-po avy amin’ny olo-masina iray isika, dia izao no fihetseham-po miverina — Eny ary, henjana loatra ny fitondran’Andriamanitra ahy. Izany no antony nilazan’i Jesosy fa avy amin’ny devoly ny fangorahana tena (jereo Matio 16:23). Mamindrà fo amin’ny lazan’Andriamanitra. Mora ny manamainty ny toetran’Andriamanitra satria tsy mamaly teny velively Andriamanitra, tsy manamarina ny tenany Izy. Mitandrema amin’ny fiheverana fa nila fiombonam-pihetseham-po i Jesosy teo amin’ny fiainany etỳ an-tany; nolaviny ny fiombonam-pihetseham-po avy amin’ny olona satria fantany tamim-pahendrena lalina loatra fa tsy nisy olona etỳ an-tany nahatakatra izay nokendreny. Ny Rainy ihany no nandraisany fiombonam-pihetseham-po, sy ireo anjely tany an-danitra. (Ampitahao Lioka 15:10.)

Mariho ny fandanian’Andriamanitra tsy hay lazaina ireo olo-masina, araka ny fitsaran’izao tontolo izao. Mamboly ny olo-masiny amin’ireo toerana tsy misy ilàna azy indrindra Andriamanitra. Hoy isika — Mikasa ny hametraka ahy eto Andriamanitra satria tena mahasoa aho. Tsy nanombana ny fiainany araka ny fampiasana lehibe indrindra i Jesosy. Mametraka ny olo-masiny eo amin’izay hanomezan’izy ireo voninahitra Azy Andriamanitra, ary tsy mpitsara mihitsy isika momba izay toerana misy izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana