VAVAKA AO AMIN’NY HAJAN’NY RAY
“Izany zavatra masina haterakao izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.”
Lioka 1:35
Raha ateraka ao amin’ny nofoko mety maty ny Zanak’Andriamanitra, mahazo fotoana hiseho ato anatiko ve ny tsy fananany tsiny masina sy ny fahatsorany ary ny firaisany amin’ny Ray? Izay marina tamin’i Maria Virijiny tamin’ny fampidirana ara-tantara ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany dia marina amin’ny olo-masina rehetra. Ateraka ato anatiko amin’ny asa mivantana ataon’Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra; avy eo izaho amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ahy dia tsy maintsy mampiasa ny zon’ny zanaka, dia ny zo hifanatrika amin’ny Raiko mandrakariva. Miteny amim-pahagagana tsy tapaka amin’ny fiainako araka ny saina mahazatra ve aho — nahoana ianao no te hampiala ahy eto? Tsy fantatrao ve fa tsy maintsy manao ny raharahan’ny Raiko aho? Na inona na inona toe-javatra, dia tsy maintsy mifandray amin’ny Rainy io Zaza Mandrakizay Masina sady Tsy Manan-tsiny io.
Tsotra ampy ve aho mba hampiray ny tenako amin’ny Tompoko amin’izany fomba izany? Mahazo manatanteraka ny lalany mahatalanjona ato anatiko ve Izy? Mampanjary ho tena zava-misy ve Andriamanitra fa miforona ato anatiko ny Zanany, sa efa napetrako tamim-pitandremana teny an-kilany Izy? Endrey, ny tabataba amin’izao andro izao! Mitabataba avokoa ny olona rehetra — noho ny inona? Mba hamonoana ny Zanak’Andriamanitra. Tsy misy toerana ho an’ny Zanak’Andriamanitra eto izao, tsy misy toerana ho an’ny fiombonana masina mangina amin’ny Ray.
Mivavaka ato anatiko ve ny Zanak’Andriamanitra sa izaho no mandidy Azy? Manompo ato anatiko ve Izy tahaka ny nataony tamin’ny andron’ny nofony? Mandalo ny fijaliany ato anatiko ve ny Zanak’Andriamanitra ho amin’ny fikasany manokana? Arakaraka ny hahalalan’ny olona ny fiainana anaty an’ireo olo-masin’Andriamanitra matotra indrindra, no vao mainka ahitany ny fikasan’Andriamanitra — "mameno izay sisa tavela amin’ny fahorian’i Kristy." Misy zavatra tsy maintsy atao foana araka ny hevitry ny hoe "mameno izay sisa."