Fisaintsainana isan’andro

FANAMASINANA

Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny fanamasinana anareo.

1Tesaloniana 4:3

Ny lafin’ny fahafatesana.

Ao amin’ny fanamasinana dia tsy maintsy miasa amintsika eo amin’ny lafin’ny fahafatesana tahaka ny eo amin’ny lafin’ny fiainana Andriamanitra. Maro amintsika no mandany fotoana be loatra eo amin’ny toeran’ny fahafatesana ka manjary mitovy amin’ny fasana. Misy ady lehibe foana alohan’ny fanamasinana, misy zavatra misintona amin’ny lolom-po foana manohitra izay takin’i Jesosy Kristy. Raha vao manomboka mampiseho amintsika ny hevitry ny fanamasinana ny Fanahin’Andriamanitra, dia manomboka ny ady. "Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala . . . ny ainy, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy."

Mandritra ny dingan’ny fanamasinana dia hanendaka ahy ny Fanahin’Andriamanitra mandra-pahatongako ho tsy misy afa-tsy "ny tenako," izany no toeran’ny fahafatesana. Manaiky ho "ny tenako," ka tsy misy mihoatra ve aho — tsy misy sakaiza, tsy misy ray, tsy misy rahalahy, tsy misy tombontsoan’ny tena — fa vonona tsotra izao ho faty? Izany no fepetry ny fanamasinana. Tsy mahagaga raha hoy Jesosy: "Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra." Eo no isehoan’ny ady, ary eo no reraka ny maro amintsika. Mandà ny hampiraisina amin’ny fahafatesan’i Jesosy isika amin’io lafiny io. "Nefa henjana loatra izany," hoy isika; "Tsy ho tiany hanao izany aho." Henjana ny Tompontsika; ary tena tiany hanao izany isika.

Manaiky hampihena ny tenako ho tsy misy afa-tsy "izaho," ve aho ka hanaisotra amim-piniavana amin’ny tenako izay rehetra heverin’ny sakaizako momba ahy, sy izay rehetra heveriko momba ny tenako, ary hanolotra an’Andriamanitra izany tena tsotra sy mitanjaka izany? Raha vao manaiky aho, dia hanamasina ahy manontolo Izy, ary ho afaka amin’ny hafanam-po momba ny zavatra rehetra afa-tsy Andriamanitra ny fiainako.

Rehefa mivavaka aho — "Tompo ô, asehoy ahy ny hevitry ny fanamasinana ho ahy," dia hasehony ahy izany. Midika izany fa ampiraisina amin’i Jesosy aho. Tsy zavatra apetrak’i Jesosy Kristy ato anatiko ny fanamasinana: fa Izy mihitsy ato anatiko. (1Korintiana 1:30.)

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana