"ENY — FA . . . !"
“Tompo ô, hanaraka Anao aho; kanefa . . .”
Lioka 9:61
Andeha hatao hoe milaza aminao Andriamanitra mba hanao zavatra iray izay mizaha toetra mafy dia mafy ny sainao mahazatra, inona no hataonao? Hihemotra ve? Raha mizatra manao zavatra iray eo amin’ny sehatra ara-batana ianao, dia hanao izany isaky ny mandeha mandra-pialanao amin’ilay fahazarana amim-pahatapahan-kevitra; ary marina toy izany koa eo amin’ny ara-panahy. Imbetsaka ianao no hanakaiky izay irin’i Jesosy Kristy, ary isaky ny mandeha dia hiverina ianao rehefa tonga eo amin’ilay fotoana, mandra-pahafoinao tena tanteraka amim-pahatapahan-kevitra. "Eny, kanefa — andeha hatao hoe mankatò an’Andriamanitra amin’ity raharaha ity aho, ahoana kosa ny amin’ny . . . ?" "Eny, hankatò an’Andriamanitra aho raha avelany hampiasa ny saiko mahazatra, fa aza mangataka ahy hanao dingana ao amin’ny maizina." Takin’i Jesosy Kristy amin’ny olona matoky Azy ilay toe-tsain’ny mpanao fanatanjahantena sahy manao vy very tahaka izay asehon’ny olona araka ny toetra voajanahary. Raha hanao zavatra mendrika hatao ny olona iray, dia misy fotoana tsy maintsy anaovany vy very ny zavatra rehetra amin’ilay fitsambikinany, ary eo amin’ny sehatra ara-panahy dia takin’i Jesosy Kristy aminao ny hanaovanao vy very izay rehetra hazoninao amin’ny saina mahazatra ka hitsambikina ao amin’izay lazainy, ary raha vao manao izany ianao, dia ho hitanao fa mafy orina tahaka ny saina mahazatra izay lazainy. Eo anoloan’ny fitsaran’ny saina mahazatra dia mety hiseho ho adala ny fanambaran’i Jesosy Kristy; kanefa ento eo anoloan’ny fitsaran’ny finoana izany, dia manomboka mahita amim-panahy feno fahatahorana ianao fa tenin’Andriamanitra ireo. Matokia tanteraka an’Andriamanitra, ary rehefa entiny eo amin’ny fanaovana vy very ianao, dia ataovy izay hanaovanao izany. Manao zavatra tahaka ny mpanompo sampy isika rehefa misy fotoan-tsarotra, iray monja amin’ny vahoaka no sahy mametraka ny finoany amin’ny toetran’Andriamanitra.