TSY FAHATOKIANA FENO FANAHIANA
“Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na izay hosotroinareo; na ny amin’ny tenanareo koa dia izay hotafinareo.”
Matio 6:25
Fintinin’i Jesosy ho tsy fahatokiana ny fitandremana araka ny saina mahazatra ao amin’ny mpianatra iray. Raha efa nandray ny Fanahin’Andriamanitra isika, dia hisisika Izy ka hiteny hoe — Aiza àry no idiran’Andriamanitra ao amin’ity fifandraisana ity, ao amin’ity fialan-tsasatra efa voalamina ity, ao amin’ireto boky vaovao ireto? Hamafisiny mandrakariva ilay lafiny mandra-pianarantsika mametraka Azy ho zavatra voalohany heverintsika. Isaky ny mametraka zavatra hafa ho voalohany isika, dia misy fikorontanana.
"Aza manahy . . ." aza entina eo aminao ny tsindry vokatry ny fisainana mialoha. Tsy hoe ratsy fotsiny ny manahy, fa tsy fahatokiana izany, satria ny fanahiana dia midika fa tsy inoantsika ho afaka hikarakara ireo antsipiriany andavanandro eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra, ary tsy misy zavatra hafa mampanahy antsika mihitsy. Efa nahamarika izay nolazain’i Jesosy fa hanakenda ny teny ampidiriny ve ianao? Ny devoly? Tsia, ny fiahiahian’izao tontolo izao. Ny fanahiana madinika mandrakariva no manao izany. Tsy hatoky any amin’izay tsy hitako aho, eo no manomboka ny tsy fahatokiana. Ny fankatoavana ny Fanahy no hany fanafodin’ny tsy fahatokiana.
Ny teny lehibe omen’i Jesosy ny mpianany dia ny hoe mahafoy tena tanteraka.