IZAO NO MANAZAVA IZANY
“Mba ho iray izy rehetra; tahaka Anao, Ray ô, ato amiko, ary Izaho ao Aminao, mba ho iray ao amintsika koa izy ireo.”
Jaona 17:21
Raha mandalo amin’ny lalana manirery ianao, dia vakio ny Jaona 17, hanazava marina ny antony maha eo amin’izay misy anao izany — efa nivavaka i Jesosy mba hiraisanao amin’ny Ray tahaka Azy. Manampy an’Andriamanitra hamaly izany vavaka izany ve ianao, sa manana tanjona hafa ho an’ny fiainanao? Hatramin’ny naha mpianatra anao dia tsy afaka mahaleo tena tahaka ny taloha intsony ianao.
Tsy ny hamaly ny vavaka ataontsika no fikasan’Andriamanitra, fa amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika no ahafantarantsika ny hevitr’Andriamanitra, ary izany no aseho ao amin’ny Jaona 17. Misy vavaka iray tsy maintsy valian’Andriamanitra, dia ny vavak’i Jesosy — "mba ho iray izy ireo, tahaka ny maha Iray Antsika." Akaiky an’i Jesosy Kristy toy izany ve isika?
Tsy ny drafitsika no imasoan’Andriamanitra; tsy miteny Izy hoe — Te handalo amin’izao fahafatesan’olona akaiky anao izao ve ianao; na amin’izao fikorontanana izao? Avelany hitranga ireo zavatra ireo ho an’ny fikasany manokana. Ireo zavatra lalovantsika dia na mampanjary antsika lehilahy sy vehivavy mamy kokoa, tsara kokoa, mendri-kaja kokoa; na mampanjary antsika ho be fanakianana sy mpitady fahadisoana kokoa, ary mikiry kokoa amin’ny lalantsika manokana. Ireo zavatra mitranga dia na mampanjary antsika demonia, na mampanjary antsika olo-masina; miankina tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izany. Raha miteny isika hoe — "Hatao anie ny sitraponao," dia mahazo ny fampiononan’ny Jaona 17 isika, dia ny fampiononana avy amin’ny fahalalana fa miasa araka ny fahendreny manokana ny Raintsika. Rehefa takatsika izay kendren’Andriamanitra dia tsy hanjary ratsy fanahy sy mpaneso isika. Tsy zavatra latsaky ny firaisana tanteraka Aminy no nangatahin’i Jesosy ho antsika tahaka ny naha iray Azy tamin’ny Ray. Mbola lavitra izany ny sasany amintsika, kanefa tsy hamela antsika irery Andriamanitra raha tsy efa tena iray Aminy isika, satria efa nivavaka i Jesosy mba hahatongavantsika ho toy izany.