Fisaintsainana isan’andro

NY SEHATRY NY TENA ZAVA-MISY

Amin’ny faharetanareo no hahazoanareo ny fanahinareo.

Lioka 21:19

Rehefa ateraka indray ny olona iray, dia tsy matanjaka tahaka ny taloha mandritra ny fotoana iray ny fisainany na ny fanjohian-keviny. Tsy maintsy asehontsika etỳ ivelany ilay fiainana vaovao, mba hamolavolana ny sain’i Kristy. "Mahazoa ny fanahinao amin’ny faharetana." Maro amintsika no tia mijanona eo amin’ny tokonam-baravaran’ny fiainana kristianina fa tsy mandroso hamolavola fanahy mifanaraka amin’ilay fiainana vaovao napetrak’Andriamanitra ao anatiny. Tsy mahomby isika satria tsy mahalala ny fomba namoronana antsika, ataontsika ho avy amin’ny devoly ny zavatra sasany fa tsy avy amin’ny toetrantsika voajanahary tsy voaofana. Eritrereto izay mety ho toetrantsika rehefa taitra isika!

Misy zavatra sasany tsy tokony hivavahantsika — toy ny toe-po, ohatra. Tsy miala amin’ny alalan’ny fivavahana ny toe-po, fa miala amin’ny alalan’ny fandakana azy. Saika ao amin’ny toe-batana mandrakariva no misy ny fototry ny toe-po iray, fa tsy ao amin’ny ara-pitondrantena. Ezaka tsy tapaka ny tsy hihaino ireo toe-po avy amin’ny toe-batana, aza milefitra amin’izany na dia iray segondra aza. Tsy maintsy samborintsika eo amin’ny hatoka ny tenantsika ka hozongozonintsika, dia ho hitantsika fa afaka manao izay nolazaintsika fa tsy vitantsika isika. Ny ozona mahazo ny ankamaroantsika dia ny tsy fetezantsika hanao izany. Ny fiainana kristianina dia fiainana misy herim-po ara-panahy tonga nofo.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana