Fisaintsainana isan’andro

"MITSANGANA AVY AO AMIN’NY FAHARAVANA AHO"

Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?

Romana 8:35

Tsy miaro ny olona iray tsy ho tratran’ny fahoriana Andriamanitra; fa hoy Izy — "Homba azy ao amin’ny fahoriana Aho." Na dia mahazo ny fiainan’ny olona iray amin’ny endriny faran’izay mafy aza ny fahoriana tena misy, dia tsy misy iray amin’ireny afaka manasaraka azy amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Isika no "mihoatra noho ny mpandresy ao amin’izany rehetra izany." Tsy zavatra noforonin’ny saina no resahin’i Paoly, fa zavatra tena misy ka mampamoy fo; ary lazainy fa mpandresy mihoatra noho ny mpandresy eo afovoan’izany isika, tsy noho ny fahaizantsika mamorona hevitra, na noho ny herim-pontsika, na noho ny zavatra hafa afa-tsy ny zava-misy fa tsy misy na iray aza amin’ireny misy fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy. Na marina izany na diso, dia eo amin’izay misy antsika isika, ao amin’ilay toe-javatra misy antsika mihitsy. Malahelo aho mahita ny kristianina izay tsy manana zavatra iray eo amin’ny toe-javatra misy azy ka iriny tsy ho eo.

"Fahoriana ve . . . ?" Tsy zavatra mendri-kaja velively ny fahoriana; kanefa na inona na inona endriky ny fahoriana — mandreraka, maharary, manasatra, dia tsy afaka manasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izany. Aza avelanao hampisaraka anao amin’ny zava-misy fa tia anao Andriamanitra mihitsy ny tebiteby na ny fahoriana.

"Fahoriam-panahy ve . . . ?" — afaka maharitra ve ny fitiavan’Andriamanitra rehefa milaza ny zavatra rehetra fa lainga ny fitiavany, ary tsy misy izany atao hoe rariny izany?

"Mosary ve . . . ?" — afaka tsy hoe mino ny fitiavan’Andriamanitra fotsiny ve isika fa ho mihoatra noho ny mpandresy koa, na dia mandritra ny ampahoriana antsika amin’ny hanoanana aza?

Na mpamitaka i Jesosy Kristy ary voafitaka i Paoly, na misy zavatra miavaka mitranga amin’ny olona izay mifikitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra rehefa toa manohitra ny toetran’Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra. Mangina ny lojika eo anatrehan’ireo zavatra rehetra ireo. Zavatra iray ihany no afaka manazava izany — ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy. "Mitsangana avy ao amin’ny faharavana aho" isaky ny mitranga izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana