Fisaintsainana isan’andro

NY FIVERENANA AMIN’NY TSY FIFANTOHANA

Fa tsy nesorina teo amin’ny Isiraely ny fitoerana avo; kanefa tanteraka ny fon’i Asa tamin’ny androny rehetra.

2Tantara 15:17

Tsy feno ny fankatoavan’i Asa ivelany, mahitsy izy amin’ny ankapobeny nefa tsy mahitsy tanteraka. Mitandrema amin’ny zavatra izay ilazanao hoe — "Indrisy, tsy dia misy lanjany loatra izany." Ny tsy fananan’izany lanjany loatra aminao dia mety hidika fa tena manan-danja lehibe amin’Andriamanitra izany. Tsy misy zavatra maivana amin’ny zanak’Andriamanitra. Mandra-pahoviana ny sasany amintsika no mbola hitazona an’Andriamanitra hiezaka hampianatra antsika zavatra iray? Tsy very faharetana mihitsy Izy. Hoy ianao — "Fantatro fa mahitsy amin’Andriamanitra aho"; nefa mbola mitoetra ireo "fitoerana avo", misy zavatra iray izay tsy nankatoavanao. Manizingizina ve ianao fa mahitsy amin’Andriamanitra ny fonao, kanefa mbola misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay nampisalasalan’Andriamanitra anao? Isaky ny misy fisalasalana, avelao avy hatrany izany, na inona na inona. Tsy misy zavatra tsipiriany fotsiny.

Misy zavatra mifandray amin’ny fiainam-batanao, ny fiainam-pisainanao, izay tsy ifantohanao mihitsy ve? Mahitsy ianao amin’ny ankapobeny nefa tsy mitandrina; misy fiverenana amin’ny lalan’ny fifantohana. Tsy mila fialan-tsasatra amin’ny fifantohana ara-panahy ianao tahaka ny tsy ilain’ny fonao fialan-tsasatra amin’ny fitempo. Tsy afaka maka fialan-tsasatra ara-moraly ka mbola hijanona ho ara-moraly ianao, sady tsy afaka maka fialan-tsasatra ara-panahy ka mbola hijanona ho ara-panahy. Tian’Andriamanitra ho Azy tanteraka ianao, ary midika izany fa tsy maintsy miambina ianao mba hitazonanao ny tenanao ho sahaza. Mitaky fotoana be dia be izany. Ny sasany amintsika manantena ny "hamakivaky ireo fiakarana tsy tambo isaina[1]" ao anatin’ny roa minitra eo ho eo.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana