Fisaintsainana isan’andro

IZAY HATAO AO AMBANIN’NY TOE-JAVATRA MISY

Apetraho amin’ny Tompo ny enta-mavesatrao.

Salamo 55:22

Tsy maintsy avahantsika ny fitondrana enta-mavesatra izay mahitsy sy ny fitondrana enta-mavesatra izay diso. Tsy tokony hitondra ny enta-mavesatry ny fahotana na ny fisalasalana mihitsy isika, nefa misy enta-mavesatra apetrak’Andriamanitra amintsika izay tsy kasainy hesorina, fa tiany hakodiantsika hiverina eo Aminy. "Apetraho amin’ny Tompo izay nomeny anao." (R.V. sisin’ny pejy.) Raha mandray asa ho an’Andriamanitra isika ka very fifandraisana Aminy, dia hanorotoro antsika tsy hay tohaina ny fahatsapana andraikitra; nefa raha avalontsika hiverina amin’Andriamanitra izay napetrany tamintsika, dia esoriny ny fahatsapana andraikitra amin’ny fampidirany ny fahatsapana Azy.

Mpiasa maro no nivoaka nanana herim-po ambony sy fironana tsara, nefa tsy nanana fiombonana akaiky amin’i Jesosy Kristy, ary tsy ela dia torotoro izy ireo. Tsy fantany izay hatao amin’ny enta-mavesatra, miteraka havizanana izany, ary hoy ny olona — "Endrey izany fiafarana feno ngidy ho an’ny fiandohana toy izany!"

"Akodiavo ho amin’ny Tompo ny enta-mavesatrao" — ianao no nitondra azy manontolo; apetraho amim-pikendrena eo an-tsorok’Andriamanitra ny tendrony iray. "Ho eo an-tsorony ny fanapahana." Atolory an’Andriamanitra "izay nomeny anao"; aza ariana hiala aminao izany, fa akodiavo eo Aminy miaraka aminao koa, ary mihamaivana ny enta-mavesatra noho ny fahatsapana fiarahana. Aza misaraka amin’ny enta-mavesatra mihitsy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana