Fisaintsainana isan’andro

FANAOVANA AMIM-PO V. FANAOVANA TSY AMIM-PO AMIN’NY HAFA

Kristy . . . no manao fanelanelanana am-bavaka ho antsika koa." "Ny Fanahy . . . no manao fanelanelanana am-bavaka ho an’ny olona masina.

Romana 8:34, 27

Mbola mila antony hafa ankoatra ity ve isika mba ho tonga mpanelanelana am-bavaka — fa i Kristy dia "velona mandrakizay hanao fanelanelanana am-bavaka;" fa ny Fanahy Masina dia "manao fanelanelanana am-bavaka ho an’ny olona masina"? Moa ve isika miaina ao anatin’ny fifandraisana tena velona amin’ny mpiara-belona amintsika ka manao ny asa fanelanelanana am-bavaka tahaka ny zanak’Andriamanitra nampianarin’ny Fanahy? Atombohy amin’ny toe-javatra misy antsika — ny tokantranontsika, ny raharahantsika, ny firenentsika, ny fotoan-tsarotra ankehitriny araka izay mahakasika antsika sy ny hafa — moa ve ireo zavatra ireo manorotoro antsika? Moa ve izy ireo manenjika antsika hiala eo anatrehan’Andriamanitra ka tsy mamela fotoana hitsaohana an’Andriamanitra? Koa aoka isika hijanona, ary hiditra amin’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra ka ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia ho voatazona eo amin’ny lalan’ny fanelanelanana am-bavaka izay anaovan’Andriamanitra ny fahagagany.

Mitandrema sao mandroso mihoatra an’Andriamanitra ianao noho ny fanirianao mihitsy hanao ny sitrapony. Mihazakazaka eo alohany isika amin’ny asa arivo sy iray, vokatr’izany dia mavesatra amintsika loatra ny olona sy ny fahasahiranana ka tsy mitsaoka an’Andriamanitra isika, tsy manao fanelanelanana am-bavaka isika. Raha vao tonga amintsika ny enta-mavesatra sy ny fanerena ary tsy manana toe-panahy mitsaoka isika, dia tsy hamokatra hamafin’ny fo amin’Andriamanitra ihany izany fa famoizam-po ao amin’ny fanahintsika koa. Mampifankahita antsika mandrakariva amin’ny olona izay tsy ifandraisantsika firy Andriamanitra, ary raha tsy mitsaoka an’Andriamanitra isika, ny zavatra mandeha ho azy indrindra dia ny mitondra azy ireo tsy amim-po, ny manome azy ireo andinin-teny toy ny tsindron’ny lefona, na mamela azy ireo miaraka amin’ny torohevitr’Andriamanitra tononina mafy[1] dia mandeha. Tsy maintsy alahelo mahatsiravina ho an’ny Tompontsika ny Kristiana tsy amim-po.

Moa ve isika eo amin’ny tsipika mivantana amin’ny fanelanelanana am-bavaky ny Tompontsika sy ny Fanahy Masina?

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana