FITANDREMANA AMIM-PANKATOAVANA MANOHITRA NY FIHATSARAMBELATSIHY AO AMINTSIKA
“Raha misy olona mahita ny rahalahiny manota fahotana tsy mahafaty, dia hangataka izy, ary Izy no hanome Aina azy ho an’ireo izay manota tsy mahafaty.”
1Jaona 5:16
Raha tsy mitandrina amim-pankatoavana ny fomba fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra ato anatintsika isika, dia hanjary mpihatsaravelatsihy ara-panahy. Hitantsika izay tsy ahombiazan’ny olon-kafa, ary avaditsika ho fanesoana amin’ny fitsikerana ny fahaiza-manavaka ananantsika fa tsy ho fanelanelanana am-bavaka ho azy ireo. Tsy amin’ny alalan’ny hamaran’ny saintsika no anaovana ny fanambarana amintsika, fa amin’ny fanindronana mivantana ataon’ny Fanahin’Andriamanitra, ary raha tsy mitandrina amim-pankatoavana ny loharanon’ny fanambarana isika, dia hanjary foiben’ny fitsikerana ka hanadino fa hoy Andriamanitra — ". . . hangataka izy, ary Izy no hanome aina azy ho an’ireo izay manota tsy mahafaty." Mitandrema sao milalao ny mpihatsaravelatsihy amin’ny fandaniana ny fotoananao rehetra hiezahana hanitsy ny hafa alohan’ny hiankohofanao amin’Andriamanitra.
Ny iray amin’ireo enta-mavesatra miafina indrindra apetrak’Andriamanitra amintsika olo-masina dia ity enta-mavesatry ny fahaiza-manavaka momba ny fanahy hafa ity. Manambara zavatra Izy mba hitondrantsika ny enta-mavesatr’ireo fanahy ireo eo anatrehany sy hamoronantsika ny sain’i Kristy momba azy ireo, ary rehefa manao fanelanelanana am-bavaka manaraka ny lalany isika, dia milaza Andriamanitra fa hanome antsika "aina ho an’ireo izay manota tsy mahafaty." Tsy isika no mitondra an’Andriamanitra hifandray amin’ny saintsika, fa mamoha ny tenantsika isika mandra-pahafahan’Andriamanitra mampita amintsika ny sainy momba ilay olona anaovantsika fanelanelanana am-bavaka.
Mahita ny vokatry ny fijaliana mafy niaretan’ny fanahiny ato anatintsika ve i Jesosy Kristy? Tsy afaka mahita izany Izy raha tsy tena ampiraisina Aminy isika ka mamoha ny tenantsika hahazo ny fomba fijeriny momba ireo olona ivavahantsika. Enga anie isika hianatra hanao fanelanelanana am-bavaka amin’ny fo manontolo ka ho afa-po tanteraka amin’ny maha-mpanelanelana am-bavaka antsika i Jesosy Kristy.