Fisaintsainana isan’andro

NY FITSIDIHANA TAMPOKY NY TOMPO

Koa aoka ho vonona koa ianareo.

Lioka 12:40

Ny filana lehibe ananan’ny mpiasa Kristiana dia ny ho vonona hifanatrika amin’i Jesosy Kristy isaky ny fihodinana rehetra. Tsy mora izany, na inona na inona efa niainantsika. Tsy ady amin’ny fahotana na fahasahiranana na toe-javatra izany, fa ady amin’ny fandevenana tanteraka ny tena ao amin’ny asa ka tsy ho vonona hifanatrika amin’i Jesosy Kristy isaky ny fihodinana. Izany no filana lehibe iray, tsy ny hifanatrika amin’ny finoan-kevitsika, na ny fanekem-pinoantsika, na ny fanontaniana raha misy ilàna antsika, fa ny hifanatrika Aminy.

Mahalana i Jesosy no tonga eo amin’ny toerana iandrasantsika Azy; miseho eo amin’ny toerana tsy ampoizintsika indrindra Izy, ary ao amin’ny fifandraisana tsy manaraka lojika indrindra mandrakariva. Ny hany fomba ahafahan’ny mpiasa iray mitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra dia ny fiomanana amin’ny fitsidihana tampoky ny Tompo. Tsy ny fanompoana no zava-dehibe, fa ny zava-misy ara-panahy lalina, dia ny fiandrasana an’i Jesosy Kristy isaky ny fihodinana. Hanome ny fiainantsika ny toe-tsain’ny zaza talanjona izay tiany hananany izany. Raha ho vonona ho an’i Jesosy Kristy isika, dia tsy maintsy mitsahatra tsy ho mpivavaka (izany hoe, mampiasa ny fivavahana ho karazana kolontsaina ambony kokoa) ka ho tena misy ara-panahy.

Raha ianao no "mijery lavitra ho amin’i Jesosy," sady misoroka ny antson’ny vanim-potoana ara-pivavahana iainanao, ary mametraka ny fonao amin’izay tiany, amin’ny fisainana manaraka ny lalany — dia hantsoina hoe tsy mahay ny zavatra azo tsapain-tanana sy mpanonofy ianao; fa rehefa miseho ao amin’ny enta-mavesatra sy ny hafanan’ny andro Izy, dia ianao irery no ho vonona. Aza matoky olona, eny fa na dia ny olo-masina tsara indrindra nandeha teto an-tany aza, aza miraharaha azy, raha manakana ny fahitanao an’i Jesosy Kristy izy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana