OMEO TOERANA ANDRIAMANITRA
“Fa rehefa sitrak’Andriamanitra . . .”
Galatiana 1:15
Amin’ny maha-mpiasan’Andriamanitra antsika dia tsy maintsy mianatra manome toerana an’Andriamanitra isika — manome an’Andriamanitra "toerana ho an’ny kiho." Mikajy sy manombatombana isika, ary milaza fa hitranga izao sy izao, ka manadino ny hanome toerana an’Andriamanitra hiditra araka izay safidiny. Ho gaga ve isika raha tonga ao amin’ny fivoriantsika na ao amin’ny fitoriantsika Andriamanitra amin’ny fomba izay tsy noeritreretintsika mihitsy fa hahatongavany? Aza miandry an’Andriamanitra ho tonga amin’ny fomba manokana iray, fa miandrasa Azy. Izany no fomba hanomezana toerana Azy. Antenaina ny hahatongavany, nefa aza manantena Azy ho tonga amin’ny fomba iray voafaritra ihany. Na firy na firy ny zavatra mety ho fantatsika momba an’Andriamanitra, ny lesona lehibe tokony hianarana dia mety hiditra tampoka Izy amin’ny fotoana rehetra. Mora tsy hitantsika io singan’ny fahatairana io, kanefa tsy miasa amin’ny fomba hafa mihitsy Andriamanitra. Tampoka eo dia mifanena amin’ny fiainana Andriamanitra — "Rehefa sitrak’Andriamanitra . . ."
Tazòny tsy tapaka amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny fiainanao mba hahafahan’ny heriny mahagaga mipoitra eo ankavanana sy eo ankavia. Aoka ho ao anatin’ny fiandrasana mandrakariva ianao, ary ataovy azo antoka fa manome toerana an’Andriamanitra hiditra araka izay tiany.