NY VIDY TAKIN’NY FANKATOAVAKO AN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY OLON-KAFA
“Nisambotra an’i Simona iray izy ireo . . . ary nametraka ny hazofijaliana teo aminy.”
Lioka 23:26
Raha mankatò an’Andriamanitra isika dia hitaky vidiny bebe kokoa amin’ny olon-kafa izany noho izay takiny amintsika, ary eo no misy ny fanaintainana. Raha tia ny Tompontsika isika, tsy mitaky vidiny amintsika ny fankatoavana, fifaliana izany, fa mitaky vidiny be amin’ireo tsy tia Azy. Raha mankatò an’Andriamanitra isika dia hidika fa mikorontana ny fikasan’ny olon-kafa, ary haneso antsika amin’izany izy ireo — "Izany ve no antsoinareo hoe Kristianisma?" Afaka misakana ny fijaliana isika; fa raha hankatò an’Andriamanitra isika, tsy tokony hisakana izany isika, tsy maintsy avelantsika haloa ny vidiny.
Miorim-paka amin’io lafiny io ny fireharehantsika maha-olombelona, ary hoy isika — Tsy handray na inona na inona avy amin’iza na iza mihitsy aho. Tsy maintsy hanao izany isika, raha tsy izany dia tsy hankatò an’Andriamanitra. Tsy manan-jo hanantena fifandraisana hafa noho ilay niainan’ny Tompontsika mihitsy isika (jereo Lioka 8:2-3).
Mitsahatra tsy mandroso ny fiainana ara-panahy rehefa milaza isika fa hitondra ny zavatra rehetra samirery. Tsy vitantsika izany. Tafiditra lalina ao amin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’izao rehetra izao isika ka raha vao mankatò an’Andriamanitra isika, dia voakasika ny hafa. Hitoetra ho mahatoky amin’ny fankatoavantsika an’Andriamanitra ve isika ka hiaritra ny fahafaham-baraka amin’ny fandavana tsy hahaleo tena, sa handeha amin’ilay lalana hafa ka hilaza — Tsy hampijaly ny olon-kafa aho? Afaka tsy mankatò an’Andriamanitra isika raha misafidy, ary hitondra fanamaivanana avy hatrany amin’ny toe-javatra izany, fa hampalahelo ny Tompontsika isika. Fa raha mankatò an’Andriamanitra isika, dia hikarakara ireo izay voatosika ho ao anatin’ny vokatry ny fankatoavantsika Izy. Ny hany tokony hataontsika dia ny mankatò ary mamela Aminy ny vokatra rehetra.
Tandremo ny fironana hibaiko an’Andriamanitra ny amin’izay havelanao hitranga raha mankatò Azy ianao.