Fisaintsainana isan’andro

FAHAFENOANA

Ary Izaho hanome anareo fitsaharana.

Matio 11:28

Isaky ny misy zavatra manomboka mampisaratsaraka ny fiainanao miaraka amin’i Jesosy Kristy, dia mitodiha Aminy avy hatrany ary angataho Izy hampiorina ny fitsaharana. Aza avela hijanona mihitsy izay zavatra miteraka ny tsy-fiadanana. Raiso ny singa rehetra mampisaratsaraka ho zavatra tokony hotolomina, fa tsy hiaretana. Lazao hoe — Tompo ô, aporofoy ato anatiko ny fahatsapana Anao, dia hiala ny fahatsiarovan-tenako ka Izy no ho zavatra rehetra ao amin’ny zavatra rehetra. Mitandrema tsy hamela ny fahatsiarovan-tena hitohy satria tsikelikely dia hanaitra ny fangorahana tena izany, ary avy amin’i Satana ny fangorahana tena. Eny ary, tsy azon’ny olona aho; tokony hiala tsiny amin’izany izy ireo; tsy maintsy hazavaiko tokoa io lafiny io. Avelao ny hafa ary angataho ny Tompo hanome anao ny fahatsapana an’i Kristy, dia hampifandanja anao Izy mandra-pahatonga ny fahafenoana ho tanteraka.

Ny fiainana feno dia ny fiainan’ny zaza. Rehefa mahatsiaro tena fa mahatsiaro tena aho, dia misy zavatra tsy mety. Ny marary no mahalala ny atao hoe fahasalamana. Tsy mahatsiaro ny sitrapon’Andriamanitra ny zanak’Andriamanitra satria izy no sitrapon’Andriamanitra. Raha vao misy fiviliana kely indrindra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia manomboka manontany isika — Inona no sitraponao? Tsy mivavaka velively ny zanak’Andriamanitra mba hahatsiaro fa mamaly vavaka Andriamanitra, fa mahazo antoka amim-pitsaharana tokoa izy fa mamaly vavaka mandrakariva Andriamanitra.

Raha manandrana mandresy ny fahatsiarovan-tena amin’ny fomba rehetra araka ny saina mahazatra isika, dia hampitombo azy fatratra. Hoy Jesosy, "Manatòna Ahy dia hanome anao fitsaharana Aho," izany hoe, ny fahatsapana an’i Kristy no hisolo ny fahatsiarovan-tena. Na aiza na aiza ahatongavan’i Jesosy dia mampiorina fitsaharana Izy, dia ny fitsaharan’ny asa tonga lafatra izay tsy mahatsiaro tena velively.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana