KIVY AO AMIN’NY FANOLOFAN-TENA VE IANAO?
“Mbola zavatra iray no tsy ampy aminao; amidio izay rehetra anananao … ary avia, manaraha Ahy.”
Lioka 18:22
"Ary rehefa nandre izany izy …" Efa nandre ny Mpampianatra nilaza teny henjana ve ianao? Raha tsy mbola nandre, dia mampisalasala ahy raha efa nandre Azy nilaza na inona na inona ianao. Milaza zavatra maro i Jesosy Kristy ka mihaino izany isika, nefa tsy mandre; rehefa mandre isika, dia henjana mahatalanjona ny teniny.
Toa tsy niahiahy na dia kely aza i Jesosy raha hanao izay nolazainy taminy io lehilahy io, ary tsy nanandrana nitazona azy niaraka Taminy Izy. Hoy Izy tsotra izao — Amidio izay rehetra anananao, ary avia, manaraha Ahy. Tsy nitalaho velively ny Tompontsika, tsy nandambolambo Izy, tsy namandrika; nilaza tsotra izao ireo teny henjana indrindra izay mbola henoin’ny sofin’olombelona Izy, ary avy eo namela ilay raharaha.
Efa nandre an’i Jesosy nilaza teny henjana ve aho? Efa nilaza zavatra manokana tamiko ve Izy ka nihaino izany tamim-piniavana aho? Tsy zavatra azoko hazavaina na resahina izao sy izatsy, fa zavatra iray izay reko nolazainy tamiko? Tena azon’io lehilahy io izay nolazain’i Jesosy, nandre izany izy ka nandrefy ny heviny, ary nahavaky ny fony izany. Tsy niala tamim-pikomiana izy; niala tamin’alahelo izy, kivy tanteraka. Nanatona an’i Jesosy feno afon’ny faniriana lalina izy, ary nampivaingana azy tsotra izao ny tenin’i Jesosy; tsy niteraka fanoloran-tena mafana fo izany, fa niteraka fahakiviana mahavaky fo. Ary tsy nanaraka azy i Jesosy, fa namela azy handeha. Fantatry ny Tompontsika tanteraka fa raha vao re ny teniny, dia hamoa izany na ho ela na ho haingana. Mahatsiravina fa sakanan’ny sasany amintsika tsy hamoa eo amin’ny fiainana tena misy izany. Manontany tena aho hoe inona no holazaintsika rehefa tena manapa-kevitra hahafoy tena ho Azy amin’io lafiny manokana io isika? Zavatra iray no azo antoka, tsy hampahatsiahy antsika zavatra iray ho fanomezan-tsiny[1] mihitsy Izy.