Fisaintsainana isan’andro

NY LALANA HAHALALANA

Raha misy olona te hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy . . .

Jaona 7:17

Tsy ny faharanitan-tsaina no fitsipika volamena hahazoana fahatakarana ara-panahy, fa ny fankatoavana. Raha te hahazo fahalalana ara-tsiansa ny olona iray, dia ny fahalianana ara-tsaina no mpitari-dalana azy; nefa raha te hahalala lalina izay ampianarin’i Jesosy Kristy izy, dia amin’ny alalan’ny fankatoavana ihany no hahazoany izany. Raha maizina amiko ny zavatra, dia azoko antoka fa misy zavatra tsy ekeko hatao. Avy amin’ny tsy fahalalana ny haizina ara-tsaina; avy amin’ny zavatra tsy kasaiko hankatoavina kosa ny haizina ara-panahy.

Tsy misy olona mandray teny avy amin’Andriamanitra ka tsy voazaha toetra eo no ho eo momba izany. Tsy mankatò isika dia manontany tena hoe nahoana no tsy mandroso ara-panahy. ‘Raha tonga eo amin’ny alitara ianao,’ hoy Jesosy, ‘ka eo no mahatsiaro fa manan-java-manohitra anao ny rahalahinao . . . aza miteny teny hafa Amiko, fa mandehana aloha ary ahitsio izany.’ Mamely antsika eo amin’izay iainantsika ny fampianaran’i Jesosy. Tsy afaka mijoro ho mpihatsaravelatsihy eo anatrehany na dia iray segondra aza isika. Manabe antsika hatrany amin’ny fisalasalana madinika ao amin’ny feon’ny fieritreretana[1] Izy. Fongarin’ny Fanahin’Andriamanitra ny toe-panahy manamarina tena; ataony mora mahatsapa ireo zavatra tsy mbola noeritreretintsika hatrizay isika.

Rehefa mampahatsapa zavatra iray amin’ny alalan’ny teniny i Jesosy, aza miala aminy. Raha manao izany ianao, dia ho tonga mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana. Jereo ireo zavatra izay ikopahinao ny sorokao, dia ho fantatrao ny antony tsy mandrosoanao ara-panahy. Mandehana aloha — na dia mety hoheverina ho mafana fo tafahoatra aza ianao dia tsy maintsy mankatò izay lazain’Andriamanitra aminao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana