Fisaintsainana isan’andro

MAHA-ANDRIAMANITRA ARA-MORALY

Fa raha niara-nambolena taminy tamin’ny fitoviana amin’ny fahafatesany isika, dia ho toy izany koa amin’ny fitoviana amin’ny fitsanganany amin’ny maty.

Romana 6:5

Fiaraha-mitsangana amin’ny maty.

Ny porofo fa efa nandalo ny fiaraha-nohomboana tamin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana aho dia ny fananako fitoviana miharihary Aminy. Ny fidiran’ny Fanahin’i Jesosy ato anatiko dia mampifanaraka indray amin’Andriamanitra ny fiainako manokana. Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no nanome Azy fahefana hampita ny fiainan’Andriamanitra amiko, ary ny fiainako araka ny zavatra niainana dia tsy maintsy aorina eo amin’ny fototry ny fiainany. Afaka manana ny fiainam-pitsanganan’i Jesosy amin’ny maty aho ankehitriny, ary hiseho amin’ny fahamasinana izany.

Ny hevitra manerana ny asa soratr’i Paoly apostoly dia rehefa voaray ny fanapahan-kevitra ara-moraly hampiraisina amin’i Jesosy ao amin’ny fahafatesany, dia manafika ny ampahany rehetra amin’ny toetra voajanaharin’olombelona ato anatiko ny fiainam-pitsanganan’i Jesosy amin’ny maty. Mila ny hery tsitoha ny miaina ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ao amin’ny nofo mety maty. Tsy azo apetraka ho Vahiny ao an-trano ny Fanahy Masina, fa manafika ny zavatra rehetra Izy. Rehefa manapa-kevitra aho fa ny "toetrako taloha" (izany hoe, ny lovan’ny fahotana) dia tokony hampiraisina amin’ny fahafatesan’i Jesosy, dia manafika ahy ny Fanahy Masina. Izy no mandray an-tanana ny zavatra rehetra, ny anjarako dia ny mandeha ao amin’ny mazava sy ny mankatò izay rehetra ambarany. Rehefa nandray ny fanapahan-kevitra ara-moraly momba ny fahotana aho, dia mora ny mihevitra ho tena zava-misy fa maty ny amin’ny ota aho, satria hitako eo mandrakariva ny fiainan’i Jesosy. Tahaka ny tsy misy afa-tsy mari-pamantarana iray momba ny maha-olombelona, dia tsy misy afa-tsy mari-pamantarana iray koa momba ny fahamasinana, dia ny fahamasinan’i Jesosy, ary ny fahamasinany no omena ahy ho fanomezana. Apetrak’Andriamanitra ato anatiko ny fahamasinan’ny Zanany, ary tafiditra amin’ny filaharana vaovao ara-panahy aho.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana