NAHOANA AHO NO TSY AFAKA MANARAKA ANAO ANKEHITRINY?
“Hoy Petera Taminy, Tompo ô, nahoana aho no tsy afaka manaraka Anao ankehitriny?”
Jaona 13:37
Misy fotoana tsy ahafahanao mahatakatra ny antony tsy ahafahanao manao izay tianao hatao. Rehefa mametraka toerana banga Andriamanitra, tandremo mba tsy hofenoinao izany, fa miandrasa. Mety ho tonga ilay toerana banga mba hampianatra anao ny hevitry ny fanamasinana, na mety ho tonga aorian’ny fanamasinana mba hampianatra anao ny hevitry ny fanompoana. Aza mihazakazaka mialoha ny fitarihan’Andriamanitra. Raha misy fisalasalana kely indrindra, dia tsy Izy no mitarika. Isaky ny misy fisalasalana — aza manao.
Amin’ny voalohany dia mety ho hitanao mazava ny sitrapon’Andriamanitra — ny fanapahana fisakaizana, ny fampitsaharana fifandraharahana ara-barotra, zavatra tsapanao mazava eo anatrehan’Andriamanitra fa sitrapony hataonao, aza atao mihitsy noho ny tosiky izany fahatsapana izany. Raha manao izany ianao, dia hiafara amin’ny famoronana fahasarotana izay haharitra taona maro vao ahitsy. Miandrasa ny fotoan’Andriamanitra hitondrana izany ho tanteraka ary hataony izany tsy misy ratram-po na fahadisoam-panantenana. Rehefa momba ny sitrapon’Andriamanitra araka ny fitondrany izany, miandrasa an’Andriamanitra hiasa.
Tsy niandry an’Andriamanitra Petera, naminavina tao an-tsainy izay hahatongavan’ny fitsapana izy, ary tonga teo amin’izay tsy nampoiziny ny fitsapana. "Hanolotra ny aiko noho ny aminao aho." Marina nefa tsy nanam-pahalalana ny fanambaran’i Petera. "Jesosy namaly azy ...Tsy hisy akoho haneno, mandra-pandavanao Ahy intelo." Izany dia nolazaina tamin’ny fahalalana lalina kokoa an’i Petera noho ny fahalalany ny tenany. Tsy afaka nanaraka an’i Jesosy izy satria tsy nahalala ny tenany, izay azony natao. Ny fanoloran-tena voajanahary dia mety ho tsara tokoa mba hisarika antsika ho amin’i Jesosy, mba hampahatsapa antsika ny hakantony, nefa tsy hahatonga antsika ho mpianatra velively izany. Handà an’i Jesosy mandrakariva any ho any ny fanoloran-tena voajanahary.